
Tafakatra 17 ny isan’ireo namoy ny ainy vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Ambositra. Omaly 30 jona, olona efatra, isan’ireo tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo, no voalaza fa namoy ny ainy ka ny telo tamin’ireo notsaboina tany Antsirabe ary ny iray kosa teto Antananarivo.

























